Fanaraha-maso ara-potoana ny tondra-drano eto Madagasikara

Team Gather
7 min readFeb 17, 2022

“Ny rano avy amin’ny tondra-drano dia saika mikoriana manerana ny manodidina ary mitondra ny fako rehetra hitany amin’ny lalany. Ary ny olona dia voatery miampita na milomano amin’ity rano feno fako avy any amin’ny toerana rehetra ity izay mihazo ny Reniranon’Ikopa.

1. Inona no zava-misy ankehitriny

Tamin’ny volana janoary 2022, niajandian’ny orana mahery vaika i Madagasikara, anisan’izany ny rivodoza tropikaly Ana, izay nitondra orana sy tondra-drano teto Antananarivo. Noho ny tafio-drivotra dia nisy fihotsahan’ny tany sy tondra-drano lehibe izay nahafatesana olona am-polony ary nandrava trano maherin’ny 7.000 tanàna. Nanimba lalana sy fotodrafitrasa hafa koa ny tondra-drano, anisan’izany ny toeram-panadiovana rano ao an-drenivohitra. Mampalahelo fa nanomboka tamin’ny Febroary 2022 ihany koa dia niharan’ny rivo-doza mafy i Madagasikara, ka niteraka tondra-drano sy fahasimbana maroteto amin’ny firenena izay vao avy nianjadian’ny loza voajanahary hafa.

Sary nandritra sy taorian’ny rivo-doza Anna.

Mampalahelo fa nampidi-doza tamin’ny fiainan’ny olona nandritra ny fotoana maharitra ireo tondra-drano ireo vokatry ny mosary izay nateraky ny fahapotehan’ny voly sy ny valan’aretina vokatry ny rano maloto. Marihina manokana fa ny fisian’ny tondra-drano dia midika fa feno fako tao an-drenivohitra talohan’ny tondra-drano — anisan’izany ny loto noho ny tsy fahampian’ireo trano fivoahana — ary ankoatr’izay dia tsy maintsy manitsaka ireo rano maloto ireo ny mponina ary tafiditra hatrany amin’ireo tranobe sy ny fotodrafitrasa maro samihafa ny rano maloto. Hoentiny any anaty lalan-drano rehetra any ny fako, toy ny hita eny amin’ny reniranon’Ikopa izay mamakivaky ny tanàna. Any amin’ny toerana izay tsy misy trano fidiovana, ny otrikaretina avy amin’ny fako dia mahatonga ny olona ho voan’ny aretina mahafaty toy ny kôlerà, typhoid, tazovony, hepatita A sy B ary aretina hafa mahery vaika.

Ohatra amin’ny lavadrano roa ao Antananarivo V

2. Ny loza ateraky ny tondra-drano ho an’Antananarivo

Tsy vahiny amin’ny tondra-drano mahery vaika ny tanànan’Antananarivo — efa nisy tondra-drano voarakitra an-tsoratra foana teto an-drenivohitra nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 1950 tany ho any. Ny sasany amin’ireo tondra-drano ireo dia noho ny fahavakisan’ny toha-dranon’Ikopa; ny mafy indrindra dia tamin’ny taona 1995. Vokatr’izany, dia fantatry ny fitondram-panjakana teto an-drenivohitra tsara fa mety hampidi-doza eto an-drenivohitra ny tondra-drano. Tamin’ity tatitra natao tamin’ny 2019 ity, ny sary fototra dia mampiseho fa “ny fanariana ny fako any amin’ny lakandrano sy ny fivoahan-drano dia mety hampihena ny fikorianan’ny rano ary hampitombo ny fiantraikan’ny tondra-drano. Ny sasany amin’ireo Fokontany [faritra] ao amin’ny boriborintany voalohany sy faha-4 dia atahorana ho tondra-drano rehefa misy oram-be na rivodoza.”

Anisan’ny mety hampidi-doza amin’ny fisian’ny tondra-drano any amin’ireo Fokontany ireo — indrindra fa ny boriborintany voalohany sy fahatelo — dia ny fisian’ny toeram-ponenana tsy ara-dalàna nefa feno olona, ​​ny trano fanorenana ary ny fanariana fako. Ankoatr’izay, ireo faritra ireo dia tsy manana fotodrafitrasa ilaina amin’ny fikojakojana ny asa sosialy, toy ny làlana, ny famatsian-drano ary ny fidiovana.

Sarintany nataon’ny ekipan’ny Gather momba ny fiantraikan’ny tondra-drano eto Antananarivo — olona traboina, olona nafindra toerana ary trano feno rano ao Antananarivo, Madagasikara tamin’ny Janoary 2022, tahirin-kevitra avy amin’ny: BNGRC

Mampananosarotra ny toe-draharaha koa ny fiovaovan’ny haavon’ny tanàna. Fokontany ao amin’ny faritra andrefana maro (anisan’izany ny boriborintany voalohany sy faha-3) no any amin’ny toerana iva kokoa, midika izany fa matetika ny rotsak’orana any amin’ireo faritra ireo dia miteraka tondra-drano foana. Tamin’ny taona 2021, Gather dia nanao fanadihadiana momba ny loza ateraky ny tondra-drano ao an-tanàna mba ahafahana manao ny sarintany ahitana ny loza ateraky ny tondra-drano ao amin’ny boriborintany faha-5, ahafahana mamaritra mialoha ny fitomboan’ny tondra-drano noho ny fiovan’ny toetr’andro. Hita eto ambany ny sarintany ahitana faritra tandindonin-doza izay nataonay.

Loza ara-pahasalamana hita maso — ny loko maizina dia manondro risika ambony kokoa

3. Ny toe-java-nisy teto Madagasikara

Eo amin’ny sehatry ny fidiovana dia laharana faha-172 amin’ireo firenena 180 maneran-tany no misy an’i Madagasikara. Vokatr’izany, very 600 tapitrisa dolara isan-taona ny toe-karena noho ny tsy fahampian’ny famokarana sy ny fitombon’ny saram-pitsaboana ny aretina azo avy amin’ny rano sy ny aretina mifandray amin’ny fidiovana (UNICEF, 2017). Ohatra, ny 88% amin’ny olona dia tsy manana trano fivoahana azo ampiasaina (JMP, 2020). Eto Antananarivo Renivohitra, ny 32% n’ny mponina dia mipetraka any amin’ny faritra be tondra-drano (Ramiaramanana & Teller, 2021). Vokany, ny aretina ateraky ny rano maloto no antony mahatonga ny ampahefatry ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny dimy taona any an-tanàn-dehibe.

Raha ny eto an-drenivohitr’i Madagasikara, dia manana tanjona lehibe ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fametrahana toeram-pivoahana isaky ny tokantrano hatramin’ny taona 2037. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny roa ampahatelo dia nilaza fa tsy ampy ny fampiasana ny angon-drakitra efa misy mba hanampiana azy ireo hahatratra izany tanjona izany. 10% ihany no afaka mampiasa solosaina finday sy rindrambaiko. Ny tsy fahampian’ny angona dia mampiadana ny fandrosoan’izy ireo amin’ny asany ary mampitombo ny vola laniny amin’ny asany. Vokatr’izay, voafetra ny isan’ny trano fidiovana azon’izy ireo karakaraina sy omena ireo mpikambana ao amin’ny vondrom-piarahamonina.

4. Inona ataon’ny Gather amin’izao fotoana izao

Noheverin’ny Gather fa ny tondra-drano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao dia ahafahana mamantatra ny fiantraikan’ny tondra-drano amin’ireo vondrom-piarahamonina izay mila toeram-pidiovana. Tianay ny y tanjonay di any hahafantaran’ny tompon’andraikitra eto Antananarivo ny fomba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina ateraky ny tondra-drano.

Ho fanatanterahana izany, dia nanara-maso tsy tapaka ny haino aman-jery ao an-toerana izahay mba hahalalàna ny fiantraikan’ny tondra-drano amin’ny mponina ao an-toerana, indrindra fa ireo vondrom-piarahamonina marefo any amin’ny faritra feno olona nefa tsy ara-dalàna. Ankoatr’izay, nanomboka naka angona nasongadina tamin’ny haino aman-jery teo an-toerana izahay ary nanao sarintany ahitana ny antsipiriany mba hanitarana ny asa mahakasika ny tandindon-doza ateraky ny tondra-drano any ivelan’ny boriborintany faha-5. Noho izany, manana tanjona roa izahay: (1) ny hahazoana angon-drakitra bebe kokoa sy mazava kokoa izay ary afaka manazava tsara hoe iza amin’ireo faritra saro-pady ao an-toeranaa no tena mora iharan’ny fiantraikan’ny tondra-drano, ary (2) ny hamantarana hoe iza no atahorana kokoa noho ny tsy fahampian’ny toeram-pidiovana.

Efa nanomboka hitanay fa misy ifandraisany amin’ny fahasimban’ny tondra-drano ny fiakaran’ny rano. Ity fahalalana ity dia afaka manampy ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpisehatra amin’ny fidiovana hafa hanomboka hijery ny fepetra hisorohana ny fivangongon’ny fako any amin’ny faritra sasany mandritra ny tondra-drano. Miaraka amin’izay, azontsika atao ny manova amin’ny ho avy ny rafitra fanadiovana mba hahatohitra izay mety ateraky ny tondra-drano noho ny faritry misy ny tanàna.

Kitiho ny GIF hahitana hoe aiza sy manao ahoana ireo faritra voakasika — traboina, olona nafindra toerana ary trano bongo dibo-drano teto Antananarivo, Madagasikara tamin’ny Janoary 2022, angona avy amin’ny “Offisy Nationaly Misahana ny Loza Voajanahary (BNGRC)”.

5. Momba ny Gather

Gather dia fikambanana tsy mitady tombony miorina any Royaume Uni izay mifantoka amin’ny angon-drakitra, ny fiovan’ny rafitra sy ny rariny ara-tsosialy. Ny tanjonay dia ny hahita tanàn-dehibe miroborobo izay ahafahan’ny tsirairay sy ny vondrom-piarahamonina rehetra misitraka ny asa izay tokony omena azy. Ny tanjaky ny Gather dia ny fahaizany mampifandray na dia fikambanana kely aza izy, fa tsy amin’ny fahaizana manatanteraka tetikasa. Tafiditra ao anatin’izany ny famoriana ireo mpandray anjara samihafa ao amin’ny efitrano iray, ny fanamafisana ny fifampitokisana ary ny fanomezana vaovao mitovy ho an’ny rehetra.

Efa natombokay ny fanadiovana ny tanàna eto Antananarivo, Madagasikara. Efa nataonay ihany koa ny fanatsarana ny toeram-pidiovana ao an-toerana izay misy olona 1,7 tapitrisa tamin’ny fampitaovana ireo fikambanana misahana ny fanadiovana monisipa mba ahafahan’izy ireo hiara-hiasa sy hanangona, hizara ary hamakafaka ny angon-drakitra rehetra. Azo atao ny mamorona sarintany ahitana ny toerampidiovana rehetra eo amin’ny tanàna miaraka amin’ireo angon-drakitra ireo, manampy azy ireo hanome trano fivoahana ho an’ny olona ao amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy izay tena mila izany. Napetrakay ny fiaraha-miasa teto Antananarivo mba hanehoana fa azo atao ny mametraka rafitra iraisam-paritra manerana ny tanàna. Niara-nandrava ny sakana amin’ny fizarana angon-drakitra izahay ary namorona sarintany an-tserasera izay mampiseho ny fomba hanatsarana ny fahadiovana ho an’ny olona 350.000 ao amin’ny faritra fahadimy ao an-toerana.

Araho izahay amin’ny tranokalanay (anglisy ihany), Twitter ary Linkedin.

Sary nangonin’ny ekipan’ny Gather.

--

--

Team Gather

Gather is a UK nonprofit that is using location data to solve the global urban sanitation crisis. This blog is co-owned by all of our team members.